Comores : Nalàna tamin’ny toerany ny minisitry ny angovo
Nanomboka ny 26 aogositra 2021 i Ali Ibouroi no nanatevin-daharana ny governemantan’i Azali Assoumani. Nesorina tamin’ny toerany manoloana ny tsy fitovian-keviny sy ny sekretera jeneralin’ny antokon’ny fitondrana, Youssoufa Mohamed Ali ny tenany raha ny fanazavana.
Niteaka resa-be io fandoahana ny angovo an-toerana io. Raha ny fanazavana dia tsy fahavitan’asa no mitarika izany matetika saingy tamin’ity indray mitoraka ity dia tsy ny fahatapahan-jiro lava no nanalàna ny minisitry. Raha tsiahivina dia nifanenjana tamin’ny resaka « leadership » amin’i Youssoufa Mohamed Ali ny tenany izay akaiky ny filoham-pirenena.
