ActualitésTsidika

Alasora : Nandray anjara tamin’ny lalao baolina kitra ny vehivavy sy ny mpilalao tranainy

Tontosa ny 1 May teo ny lalao fifanintsanana hiadiana izay ho tompon-dakan’ny ben’ny tanàna 2022 tao Alasora. Nandray anjara tamin’izany lalao izany ihany koa ny vehivavy sy ny mpilalao tranainy.

« Niavaka ny tamin’ity taona ity. Raha toa ka ny senior foana no nandray anjara teo aloha dia nomena sehatra koa ny vehivavy sy ny veteran tamin’ity taona ity », hoy ny tompon’andraikitra. « Nahafinaritra tokoa ny lalao. Nampiala voly ny mponina izany. Misaotra ny kaominina manohana hatrany ny sehatry ny fanatanjahan-tena » hoy i Renaud, mponina ao Alasora.

Mirary fahombiazana ho an’ny mpilalao mba hiroborobo hatrany ao anatin’ny tontolon’ny baolina kitra. Ho toy ny adin’ombalahin’ny mpianakavy foana anie ny lalao ary hizotra tsara ao anaty filaminana.

Toky Randriamanalison

Laisser un commentaire