Dépêches

Fitaterana: Fiara iray hihazo an’Antananarivo no nikatso ao Antsohihy hatramin’izao

03 May, 12h30. Fiara iray niala Diego hihazo an’Antananarivo avy amin’ny Kaoperativa KOFMAD no nikatso eo amin’ny 33 Km tsy hidirana an’Antsohihy nanomboka ny Alahady 1 May lasa teo hatramin’izao. Velon-taraina ireo mpandeha fa tsy mbola misy ny fiara hafa nalefan’ny Kaoperativa azy ireo hatramin’izao. Ireo manana saran-dalana ihany no tafody ary misakana fiara, ireo tsy manana fahefana kosa dia miandry izay tian’ny mpamily atao sisa. Mitaraina ireo mpandeha ary miantso vahaolana avy amin’ny tompon’andraikitra.

Laisser un commentaire