Tatitry ny filan-kevitry ny minisitra
14 Aprily, 15h15. Nankatoavina teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra omaly 13 aprily ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara amin’ny fivorian’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) sy ny Banky iraisam-pirenena any Washington izay hanolorana ny Drafi-panarenana nasionaly (Plan National de Redressement) sy ny fanatanterahana ny PEM. Eo ihany koa ny fahazoan’i Madagasikara ny « naoty B-/B » mahakasika an’i Madagasikara navoakan’ny Standard & Poor’s (S&P). Raha io naoty io dia ambonin’ireo firenena Afrikana atsimon’i Sahara miisa 11 isika. Tafiditrav tao ihany koa ny fametrahana ny tetikasa « Projet d’Amélioration de l’Accès à l’Eau Potable à Madagascar (PAAEP) » izay vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola mitentina 220 tapitrisa dolara mba hahafahana manatsara ny fisitrahana rano fisotro madio eto Antananarivo sy tanana lehibe miisa 5 hafa
