Mananara avaratra : Voasambotra ilay lehilahy tompon’antoka tamin’ny famakiana tranombarotra
14 Aprily, 15h00. Tovolahy iray 21 taona voarohirohy ho isan’ny tompon’antoka tamin’ny famakiana tsena fivarotana solosaina sy finday Mananara avaratra iray volana lasa izao no saron’ny mpitandro filaminana tao an-toerana. Niaiky heloka io tovolahy io nandritra ny fanadihadiana azy ka ho atolotra ny fitsarana tsy ho ela. Ireo entana very kosa dia efa saika tafaverina tamin’ny tompony ny avokoa. Marihina fa mbola mpianatra kilasy famaranana io tovolahy tratra io.
