Fandriam-pahalemana: Tratra ilay jiolahy mitondra antsy lava eo Ambatomitsangana.
Dépêche 02 mars, 14h, Efa nampimenomenona sy mampitaraina ny olona ireo mpanendaka eo Ambatomitsangana izay mirongo fitaovam-piadiana hatrany. Tratra ambody omby araka izany ny iray tamin’izy ireo ka mbolabtratra teny aminy ireo finday izay nangalariny sy ilay antsy lava lela fampiasany. Mbola mitohy ny fikarohana ireo namany mpiara-manao izao asa ratsiny izao. Mila mitandrina hatrany anefa satria ny ratsy tsy kely lalana.
