Fahasalamana : Notolorana fiara mpitondra marary sy « groupe electrogène » ny Toeram-pitsaboana eo Ankadifotsy.
Notoloran’ny firenena Japoney fanampiana mahakasika ny fitsaboana ny « clinique Ankadifotsy ». Nampiana iray ny fiara mpitondra mararay ary notolorana groupe élctrogène iray ihany koa ny toerana mba hialana min’ny fahatapahan-jiro matetika. Ity toeram-pitsaboana eo Ankadifotsy ity, dia ny Polyclinique Saint François d’Assise izany dia manana fandriana miisa 114 ary ny 75% amin’ireo dioa miasa avokoa. Misedra olana anefa izy ireo teo aloha tamin’ny tsy fananana fiara mpitondra marary afatsy iray ka izay no antony nanolorana izao fanomezana izao. Izany rhetra izany dia mba hahafahana mandray an-tanana malaky ireo marary izay anaty fahasoratana. Ny groupe électrogène kosa mba hahafahana mahaleo tena amin’ny herinaratra izay olana sedrain’ny be sy ny maro eto Antananarivo.
