ActualitésTsidika

Alasora : Tafapetraka amin’ny fomba ofisialy ny fikambanana Kolotanana

Ny alarobia lasa teo no nanatontosana ny lanonana fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny fikambanana Kolotanana ao amin’ny kaominina Alasora. Hiasa sy hitantana ny resaka fako ary ny fikojakojana ireo lalankely ao anatin’ny kaominina no sahanin’ny fikambanana ao anatin’izany.

« Zava-dehibe indrindra ny fandraisan’andraikitra ho an’ny fampandrosoana, indrindra fa ny mahakasika ireo asa ho an’ny tombotsoam-bahoka. Na izany aza anefa tokony ho fitaratra ho an’ny rehetra ny fikambanana tahaka izao mba samy hahatsapa tsena hitandro ny fahadiovana fa tsy hiandry ny hafa hatrany » hoy i Mitia, mpanentana momba ny fidiovana sy ny fanadiovana.

« Tompon’andraikitra ny rehetra amin’ny fitandroana ny fahadiovana, ary izay no tokony hanaovana fiaraha-mientana hatrany mba hikajiana ny tontolo. Tsy hoe rehefa misy ny fikambanana miandraikitra dia hiandry izay ataon’izy ireo fa tokony hifanampy, hifanohana » hoy i Sahondra, mponina ao Alasora.

Teny filamatry ny fikambanana Kolotanana ity moa ny hoe « Alasora madio, maha te honina ». Mila fiaraha-miasa amin’ny vahaoka ao Alasora sy ireo tomponandraikitra ny fananterahana izany, hoy ny avy amin’ny fikambanana. Tonga nanontrona izany lanonana izany ny avy amin’ny GRET, ny CDA ary ny avy ao amin’ny kaominina Alasora notarihin’ny ben’ny tanàna ao an-toerana ary ireo lehiben’ny fokotany sy ny zandary ao Alasora.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire