ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Mitohy hatrany ny Tsena Mora

Nisitraka ny tsena mora indray ny Fokontany Antanandrano sy ny manodidina tao amin’ny Kaominina Ankadikely Ilafy omaly. Nizotra tao anaty filaminana hatrany ny hetsika.

“Tsy miova ny vidin’entana hita mandritra ny tsena Mora. Jifaina 1 000 Ariary ny iray kilao amin’ny vary, ary ferana 5 kilao isan-tokantrano. Manara-maso hatrany izany izahay ato amin’ny Ministera” hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny varotra sy ny fanjifana. “Miezaka hatrany isika amin’ny fanarenana ny ara-tsosialy. Efa mitety Fokontany ny Tsena mora ho fanampiana ny vahoaka manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana” hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Ankadikely Ilafy.

Manana tombony lehibe tokoa ny Kaominina Ankadikely Ilafy amin’ny fisian’ny Tsena mora mitety Fokontany. Miezaka hatrany ihany koa ireo tompon’andraikitra ny mba hahatanterahana izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire