ActualitésTsidika

CAN 2024 :Ratsy ny toerana misy an’i Barea

Manana lalao 6 daholo ny ekipa amin’ity fifanintsanana, hahazoana ny tapakila amin’ny lalao CAN 2024. Sarotra ho an’ny ekipam-pirenena malagasy ny hahazo izany.Lalao 4 izay no vita, mbola tsy nisy fandresena mihitsy ny Barea. Raha haverina jerena ny vokatra azo dia izao avy : Ghana nandresy 3-0 Barea (lalao mandroso), Angola 1-1 Barea (lalao madroso), Repoblika Centrafrique 3-0  Barea (lalao mandroso) 2-0 (lalao miverina). Manana lalao roa sisa ny malagasy. « Tena sarotra ho an’ny ekipa malagasy ny hahazoana tapakila hiatrehana ny CAN 2024 io. Iny lalao farany nihaonanana tamin’i Centrafrique iny no lakile nahafahana nahazo ny tapakila saingy iny hita iny moa ny vokatra azo. », hoy ny i Dera, mpankafy baolina kitra.

Tsy nahazo fandresena mihitsy ny Barea. Misy ny lesoka izay hita ary tokony harenina mba ahazoana vokatra tsara amin’ny manaraka. Tokony nametraka paikady nanomboka tany amin’ny lalao voalohany ny mpanazatra. Zava-dehibe ny fampivondronona ny mpilalao mandritra ny fotoana maromaro mba ahafahana mampifandray tsara ny mpilalao. « Fohy loatra ny fotoana fampivondronana ireo mpilalao. Betsaka ny mpilalao mila ravinahitra no tsy mbola niaraka nilalao miaraka amin’ny mpilalao eto an-toerana ka sarotra be ny fiarahana milalao ambony kianja. Samy manana ny filalaony daholo ny mpilalao tsirairay ka tokony tsy atao ambanin-javatra mihitsy ny fampivondronana mialoha ary mba atao maharitra andro maromaro izany. » Hoy i Toavina, mpankafy baolina kitra.    

Manana tanora mpilalao baolina mahay ny malagasy saingy tsy voaantso foana izy ireo. Misy ny mpilalao eto an-toerana no tena efa manana    fahaizana tokoa amin’ny resaka baolina kitra. Tsara raha mba jerena akaiky ny fanohanana ireo ekipa eto an-toerana handrafitra ny Ekipa Barea. Tsy afa-miala amin’ny vokatra azony ny ekipa ny mpanazatra. Ny mpanazatra no mandrindra ny paikady rehetra entina hanantanterahana ny fisafidianana ny mpilalao. Rha ratsy ny firafitrin’ny ekipa dia tsy hahazo vokatra tsara mihisty isika.

Erwan RAN

Laisser un commentaire