ActualitésTsidika

Viliahazo : Tsy lefy laza ny hira gasy

Tontosa ny 27 jona ny hira gasy tao amin’ny kaominina, izay nokarakarain’ny ben’ny tanàna. Betsaka ireo olona tonga nijery izany, eny fa na ny tanora aza.

« Tsy lefy laza eto Viliahazo ny hira gasy. Marina fa efa betsaka ireo gadon-kira amin’izao fa mbola manana ny toerany foana ny Hira gasy. Mankasitraka ny Kaominina tamin’ity fampialana voly anay mponina ity » hoy i Andry, mponina ao Viliahazo. « Nahafinaritra ny fiaraha-mifaly teto amin’ny Kianja avaratry ny kaominina. Vahoaka maro no tonga nanotrona izany hira gasy izany. Mbola betsaka tokoa ny mpankafy azy ity eto Viliahazo » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Viliahazo.

Niavaka tokoa ny fankalazana ny fetim-pirenena tao Viliahazo. Fankalazana foana rahateo amin’ity volana ity hany, ka 27 jona no nanatanterahan’izy ireo ny hetsika.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire