ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Nahatratra 46, 95% ny tahan’ny fandoavan-ketran-trano 2020

Nisy ny tahan’ny fandoavan-ketra 2020 navoakan’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Ny 24 jona 2022 no fandraisana izany. Nahatratra 46, 95 % ny tahan’izany fandoavana ny hetran-trano 2020 izany.

« Miteraka fampandrosoana ho an’ny tanàna ny fandoavana ny hetra. Ireny ihany no hananganana ny fananana iombonana hanasoavana antsika vahoaka » hoy i Faneva, mponina ao Ankadikely Ilafy. « Isaorana ireo nahahefa ny adidiny tamin’ity hetra ity. Manentana hatrany ireo izay tsy mbola namita ny anjarany kosa mba ho tombotsoan’ny rehetra » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy.

Marihina fa amin’ny alalan’ny hetra no ahafahana manantanteraka ny asa sy ny fotodrafitr’asa izay fanana iombonana. Izany dia mba ho tamberin’andraikitra sy ho tombotsoan’ny vahoaka tsy ankanavaka ao anatin’ny kaominina.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire