Tatitra

Gabon : Fihetsiketsehana fanoherana ny fana-pahankevitry ny governementa hiadiana amin’ny Coronavirus.

Mikapokapoka lapoaly fanendasana eny amin’ny arabe ny mponina any Libreville, Gabon. Manohitra ny fepetra fandraràna apetraky ny fitondrana izy ireo. Olona efatra hatreto no voalaza fa maty vokatry ny fifandoanana tamin’ny mpitando filaminana. Voalazan’i Georges Mpaga, mpitarika ny hetsika fanoherana fa fepetra mifototra amin’ny jadona no noraisin’ny fanjakana any an-toerana. Niray hevitra amin’izany ny vahoaka ao Gabon izay nilaza fa henjana loatra ny fepetra raisin’ny fanjakana natao hiarovana ny fiahanaky ny Covid-19.

Laisser un commentaire