ActualitésTatitra

Maurice : Fanombohana ny fanaparihana ny fatra voalohany amin’ny Spoutnik V

Mbola samy ao anatin’ny ady amin’ny valan’aretina Covid avokoa ny firenena ankehitriny. Ho an’ny Maurice manokana, nisokatra nanomboka ny Alatsinainy 12 jolay ny fanombohana ny fanaovam-baksiny fatra voalohany amin’ny Spoutnik V. Misokatra ny varavarana ho an’izany any Castel ho an’ireo izay te hisafidy manokan ity vaksiny Spoutnik V an’ny trano fikarohana Gamaleya. Fatra miisa 60 000 no voarain’i Maurice tamin’izany ny 30 jona lasa teo tany Mouscou.Tsindrona roa no atao amin’ity vaksiny ity ka mielanelana 21 andro ny fanaovana ny fatra voalohany sy faharoa. Efa 64 be izao ny firenena efa nisitraka ity vaksiny ity izay efa nahazo alalana avy amin’ny OMS ka mahatratra hatarmin’ny 91, 6% ny fandairany hoy hatrany ny fanazavana voaray. Tranga tsotra tahaka ny gripa sy ny aretin-doha ary ny havizanana sy ny fanaintainana eo am-panindromana no mety ho fiatraikany mitovy ny vaksiny hafa rehetra izy

Laisser un commentaire