ActualitésTsidika

Hetsika ho an’ny ankizy tany Analanjorofo

Sady fetin’ny fetim-pirenena no fetin’ny ankizy ny volana jona. Volana hahatsiarovana indrindra ireo ankizy mijaly sy mahantra izay tsy mahita hafaliana ity Jona ity. Fotoana hizaràna hafaliana ho an’ny ankizy araka izany ny volana izay antsoina hoe « Iray volan’ny ankizy ».

« Rehefa volana Jona tahaka izao no fanararaotana hampifaliana ny ankizy, tahaka ny hoe mividy kilalao na fitafiana na mba mitondra azy ireo mivoaboaka maka rivotra kely » hoy ny renim-pianakaviana iray. Zon’ankizy maro ihany koa no mbola be tsy mahafantatra, be mpanitsakitsaka kanefa, be mpiady ankehitriny.

Manoloana izany rehetra izany mihitsy no notanterahan’ny Minisiteran’ny mponina sy ny Minisiteran’ny fitsarana ny lohabaran-dasy mikasika ny “Fiarovana ny zon’ny ankizy” androany 21 jona. Izany dia hatao any amin’ny Faritra Analanjirof Fenoarivo Atsinanana ka niara-nanaiky sy nanao sonia ny rehetra fa hatao « engagement régionaux » ny hevitra tapaka rehetra mba ho fiarovana ireo ankizy. Ny Tale Jeneraly misahana nyv mponina sy ny solontenan’ny Minisiteran’ny Fitsarana no nitarika ny fotoana tamin’izany. Tonga nanome voninahitra izany ireo Tomponandraikitra sivily sy Miaramila ao amin’ny Faritra Analanjirofo.

Tsy izay ihany fa nikarakara fanaovana didim-poitra sy fanomezana kopia faobe ihany koa izy ireo satria mbola maro ireo ankizy tsy nisitraka izany indrindra ireo any ambanivohitra lavitra kanefa anatin’ny zony izany. Mila omena ny ankizy tokoa mantsy ny zony feno ary mila fiaroavana amin’izany izy ireo satria ny ankizy no tanin-ketsan’ny firenena rahatrizay.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire