ActualitésTsidika

Mitohy ny fananganana fotodrafitr’asa any amin’ny faritra Atsimo Antsinanana

Isan’ny tsy mampandroso ny firenena ankehitriny ny fahanteran’ny fotodrafitr’asa na ny tsy fahampiany mihitsy. Miezaka ny tolmpon’andraikitra ifotony ny mombva ny filàna ara-potodrafitr’asa ankehitriny ary hentitra mihitsy manolaona ny fanamboarana satria sarobidy ho an’ny vahoaka sy ny taranany izany.

Manoloana izany indrindra dia tsy mikely soroka ny Governoran’ny faritra Atsimo Atsinanana, Dr Mahafaky Justin ny amin’izay fotodrafitrasan izay. Hentitra izy ny amin’ny fanamboarana ny asa mba hanana kalitao tsara sy mafy, satria tsy heritaona na valo taona no hampiasana ny fotodrafitr’asa toy izao fa ho lovain-jafy. « Ilainay ary ho an’ny taranaky ny fotrodrafitr’asa ka tsara raha kajiana sy hahorina tsara sy mafy izany » hoy ny olom-pirenena iray tany an-toerana.

Tsy ho ela, hoy izy, ny famitàna ny tetezana mirefy 45m ao amin’ ny kaominina ambanivohitry Soamanova sy ny ny toeram- pivoahana ao Vangaindrano. i Madagasikara mandroso no ilaintsika ka tsara ny hanomezan-danja ny asa rehetra mba ho lova mipetraka ho an’ireo taranaka amam-para.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire