Fanabeazana : Nahazo solosaina ny Lycée Moderne Ankadikely Ilafy
Nahazo solosaina miisa 10 avy amin’ny Fikambanana Tohanaina France ny Lycée Moderne Ankadikely Ilafy. Ho entina hanatsarana ny lentan’ny fampianarana ireto solosaina ireto.
« Nomena ho fanatsarana sy hampiakarana ny lentan’ny fampianarana ireto fitaovana ireto. Natao hanamorana ny fampitana ny fahalalana amin’ireo taranja vaovao izay nampidirina tao amin’ny programam-pampianarana ihany koa » hoy ny talen’ny Lycée Jules Ferry, izay nisolontena ny fikambana. « Mila ampiakarina ny lentan’ny fanabeazana. Ilaina ny teknolojia hanamorana ny asa. Isaorana ianareo nifidy anay teto Ankadikely Ilafy » hoy ny tompon’andraikitry ny sekoly ao amin’ny Lycée Moderne Ankadikely Ilafy. « Mety tsara fanohanana ny fanabeazana. Miainga amin’ny fanabeazana ny fampandrosoana eto amin’ny firenena » hoy i Rota, mpianatra ho mpampianatra ao ami’nny Oniversiten’Antananarivo.
Tsara tokoa raha samy miara-mientana amin’ny fanabeazana isika. Mahavelom-panantenana ankehitriny ny mahita ireo fikambanana maro miezaka manarina ny fanabeazana.
Nicole Rafalimananjara
