ActualitésTsidika

Ambohimanga rova: Mitondra ny anjara biriky amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ireo zanaky ny kaominina

Efa hatramin’ny taona maro no nisy fampandraisana anjara ireo ankizy, zanaky ny kaominina ao Ambohimanga rova, tamin’ny hetsika zava-kanto ara-kolontsaina, entina hanomezan-danja ny kolontsaina malagasy. Ny talata lasa teo, nandray anjara amin’ny fihaonana iraisam-pirenena mahakasika ny fako plastika ireo ankizy zanak’Ambohimanga rova (Ecole Communautaire de l’Héritage) araka ny voalaza, nandray anjara, naneho  asa tanana, talenta ary ny fahaiza manao toy ny tao-zavatra, hira sy dihy nanehoana ny maha malagasy amin’ny alalan’ny fanodinana fako plastika izy ireo.

“Anisan’ny singa mampidi-doza ary mamotika ny tontolo iainana ny plastika, na eo amin’ny fahasalaman’olombelona izany na eo amin’ny tontolo iainana. Antony mahatonga ny fampianarana ireo ankizy hahay hamadika ny fako plastika ho lasa akora fototra indray mba ho fiarovana ny tontolo iainana, ary azo aseho amin’ny fomba maro izany” hoy ireo tomponandraikitra.

“Mananjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana avokoa ny olona rehetra, ary azo aseho amin’ny alalan’ny fomba maro izany. Izay no antony tokony hanentanana hatrany an-tsekoly ny ankizy amin’ny fihetsika sy ny tokony hatao hiarovana ny tontolo iainana” hoy I Tsanta, mpikatroka momba ny fiarovana ny tontolo iainana.

Manana anjara biriky amin’ny fiarovana ny tontolo iainana avokoa ny olon-drehetra, ary tsy mifidy sarangan-taona izany. Tsy tokony hiandry fanentanana na efa maro ny olana vao handray fepetra amin’ny fiarovanana ny tontolo iainana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire