ConseilTsidika

Ady amin’ny doro tanety: Ireo fihetsika atao raha sendra misy doro tanety na ala may

Ao anatin’ny vanim-potoan’ny mai-tany no tena miseho ary mirongatra ny doro tanety sy ny doro ala. Faritra maro eto Madagasikara, saika ahitana izany avokoa. Tato ho ato, nahazo vahana ny doro tanety sy ny doro ala na dia efa nisy aza ny fanentanana sy ny fampahafantarana ireo olana haterak’izany eo amin’ny tontolo iainana sy ny fahasalaman’olombelona.

Misy ny fihetsika azo atao raha sendra doro tanety na doro ala, entina hisorohana ny fiparitahan’ny afo sy fihitaran’ny faritra may. Voalohany amin’izany, mamono ny afo amin’ny alalan’ny fasika na ny vovoka. Ny fampiasana ny rotsa-kazo mba hifehezana ny afo. Ny fiaraha-mientan’ny fokonolona ihany koa dia zava-dehibe mandritra izany.

Ilaina ihany koa ny fahamailona rehefa mamono afo, mety hisy ny afo miotrika any ambany tany ka mila havaina amin’ny angady ka totofana amin’ny fasika na tondrahana rano avy eo.

Tsy tokony hiandry ny hafa vao afaka mamono ny afo hateraky ny doro tanety. Azo atao ny mampiasa ireo fitaovana rehetra misy eo am-pelatanana. Tanindrazana iombonana ka tokony samy sarotiny raha sendra misy ny doro tanety.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire