07 Febroary 2009 – 07 Febroary 2021 : 12 taona lasa izay.
Horakoraka, tabataba niafara tamin’ny rà latsaka mihitsy aza no niseho nandritra ny andron’ny 07 Febroary 2009 teto Antananarivo. Hetsika namonoana ireo mpiray tanindrazana efa ho 48 isa ary maherin’ny 100 no naratra no sady nitondra takaitra. Misy ny maty vady, maty zanaka nandritra ny tolona fangatahana ny lapan’Ambohitsorohitra tamin’izany fotoana izay. Tolona notarihan’ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Andry Rajoelina. Ankehitriny, tsy maty an-tsain’ny Malagasy rehetra ny dat’n’ny 7 febroary na ireo nanatri-maso na ireo naheno fotsiny ihany, indrindra ny teto Antananarivo. Fahafahana ho an’ny Malagasy sy namoizana ny aina ho an’ny tanindrazana ary azo lazaina ho mahery fo mihitsy aza ireo nandray anjara tamin’izany. 12 taona lasa taty aoriana, nisy ny tsiahy, fanamarihana iny zava-niseho iny teny Antaninarenina, ny Alahady 07 frbroary. Fametrahana voninkazo teo amin’ny tsangam-bato voatokana ho an’io andro io, nanoloana ny lapan’Ambohitsorohitra. Iza marina tokoa moa no tompon’antoka tamin’ity raharaha ity ? Ilay nandefa ny olona hitolona ve sa ilay nanome baiko hitifitra avy hatrany raha misy ny fihoaram-pefy ?
Nicole Rafalimananjara





