CAF : Fahazoan’I Ahmad milatsaka hofidiana indray .
Nitana anjara toerana lehibe teo amin’ny sehatry ny baolina kitra i Ahmad. Maro ny asa nosahaniny teo anivon’ity fanatanjahan-tena ity. Ankoatra ny maha filohan’ny CAF azy, mitàna ny andraikitra filoha lefitra teo anivon’ny FIFA ihany koa izy.
Tsy ilaozana olana ny fitantanana fikambanana . Fotoana vitsy lasa izay, nahaton’ny FIFA tsy handray anjara eo amin’ny sehatry ny baolina kitra intsony I Ahmad. Mandritran’ny 5 taona io sazy nomena azy io. Hanenjehana azy ny fanodikodinam-bola. Nanao fanadihadihana manoloana izany tranga izany ihany ko anefa ny eo anivon’ny CAF. Ny fiandohan’ny volana febroary lasa teo anefa, noesorin’ny “Tribunal Arbitral du Sport” io fiampangana azy io. Namoaka fanambarana ihany koa izy ireo, ny zoma 5 febroary lasa teo, fa afaka milatsaka indray ho filohan’ny CAF I Ahmad amin’ny fifidianana manaraka ho avy eo. Mety hiteraka laza ratsy ho azy anefa ny fiampangana nataon’ny FIFA. Na teo aza ny tsy fifanarahana teo amin’ny FIFA sy ity farany, manohana tanteraka an’Andriamatoa Ahmad ny afrikanina. Tsy mahasakana azy tsy hitia ny taranja baolina kitra anefa izany.
Fanilo Rarivoarilala
