Australie : Famoahana tsiambaratelom-panjakana, mpampita vaovao aostralianina voatazona tany Chine.
Cheng Lei, mpanolotra vaovao aostralianina iray an’ny fahitalavitra sinoa CGTN miteny anglisy no voasambotra. Voampanga ho « nanambara ny tsiambaratelom-panjakana tany ivelany » ny tenany, hoy i Canberra, ny alatsinainy 08 febroary, enim-bolana taorian’ny nitazomana an’I Cheng Lei. Naharay tatitra avy tamin’ny manampahefana sinoa, ny 5 febroary lasa teo, ny ministeran’ny raharaham-bahiny aotralianina, Marise Payne. Vontoatin’izany ny fisamborana an’I Cheng Lei, notazonina, tsy nisy fanazavana hatramin’ny volana aogositra 2020. Fanta-daza amin’ny fahitalavi-panjakana CGTN ity mpanolotra vaovao ity. Nitafatafa tamin’ireo mpitarika orinasa manerantany amin’ny fandaharana iray ho an’ny mpitantana iraisam-pirenena ny tenany. Sazy enjana no hiandry an’I Ramatoa Chen Lei, raha to aka tena nanaparitaka tsiambaratelom-panjakana marina ny tenany. Etsy ankilany, gaga ny fianakaviany mahakasika ity rahraha ity satria tsy misy na inona na inona fantatr’izy ireo rah any fanambarana nataony. Anisan’ny hanamelohana an’ity mpanao gazety ity ihany koa ny fanoratany hafatra mitsikera ny filoha sinoa Xin Jiping tao amin’ny Facebook. Eo ihany koa ny mahakasika ny fitantanan’i Chine ny valanaretina coronavirus. Mbola andrasana izay ho didy hivoaka manoloana ity raharaha ity.
