Social

Afghanistan : Vaksiny voalohany tonga avy any Inde.

Naharay levim-patrana vaksiny AstraZeneca atsasaka tapitrisa avy any Inde I Afghanistan, ny alahady 07 feboary lasa teo. Ity no vaksiny voalohany hiarovana amin’ny valanaretina coronavirus tonga ao an-toerana. Tafiditra ao anatin’ireo firenena nahitana narary betsaka indrindra I Afghanistan ny taona 2020. Maminavina ny hanao vaksiny ny 60% ny mponina ny governemanta afghan. Mbola misy ny fiaraha-miasan’ny firenena amin’ny banky iraisam-pirenena sy ny fikambanambe eoropeana, ahafahana mahazo levim-patra maromaro, hoy ny minisitra. Manodidina ny 10 tapitrisa ireo olona mararin’ny coronavirus ny volana aogositra 2020, raha araka ny fanadihaiana nataon’ny ministeran’ny fahasalamana. 55.300 ireo voalaza fa mitondra ny tsimonkaretina raha toa ka mitotaly ho 2.400 ireo efa maty tao anatin’izay fotoana izay.

Laisser un commentaire