Portugal : I Valtteri Bottas no nahavita ny fotoana tsara indrindra tamin’ny andrana voalohany androany
Tontosaina ao Portimao amin’ity faran’ny herinandro ity ny dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka amin’ny taranja Formule 1. Nahavita ny fotoana tsara indrindra tamin’izany i Valtteri Bottas (Mercedes, 1’19″648). I Max Verstappen (Red Bull) no faharoa (+0″025) ary i Sergio Pérez (Red Bull) no fahatelo (+0″198). Amin’ny dimy ora hariva eto Madagasikara ny andrana faharoa. Mety hiady ve ny lalao amin’ny alahady ?
