SocialTatitra

Allemagne : Fandravana ireo tambajotra an-tsary mamohafady

Noravain’ny Polisy any Allemagne anio alatsinainy 03 may ny tambajon-tsary mamoafady iray ao amin’ny “Darknet”. Misy mpikambana 400 000 mahery ao anatin’izy io. Olona telo fara fahakeliny no voasambotra tamin’izany. Ny fiaraha-miasa teo amin’ny mpitandro filaminana avy any Pays-Bas, Suède, Australie, Etats-Unis, Canada no nahazahoana izany. Ity tamba-jotra ity izay mamoaka sary vetaveta momba ny zaza ary isan’ireo lehibe indrindra maneran-tany. Ahitana zaza tsy ampy taona marobe ao anatin’ity tambajotra mamoafady ity. Ireo telo voasambotra ireo izay 40,49 sy 58 taona no isan’ny mpitantana ity tambajotra ity.  Ary misy olona iray, 64 Taona, ahiana ho isan’ireo tena mazoto ao aminy, ary nandefa hafatra mihoatra ny 3 500 tao izy.

Laisser un commentaire