Masindray : Hanomboka tsy ho ela ireo karazan-dalao ho an’ny sokajy rehetra amin’ny taranja baolina kitra
Taorian’ny dingana fifantenana sy fizaran’asa nataon’ny avy amin’ny « Academy Football Buffalo », ny faran’ny herinandro lasa teo; mitohy ankehitriny ireo karazan-dalao maro izay handraisan’ireo sokajy lahy, vavy sy ireo salan-taona misy ao anatin’ny fikambanana, anjara. Efa mipetraka ihany koa ny fandaharam-potoanan’izy ireo ho amin’ireo lalao ireo.
« Tsara ny ezaka nataon’ny ekipa nandritra ny lalao izay natao farany. Voahaja ihany koa ny tondro-zotra amin’ny fanomanana te handeha lavitra sy fahamatorana, izay hisaorana ny mpilalao rehetra. Tsy tokony hijanona hatreo anefa ireo ezaka fa hitohy indrandra ho an’ireo lalao maro mbola miandry » hoy ireo tomponandraikitra.
« Azo lazaina fa manana ho avy mamiratra ireo mpilalao ao anatin’ny fikambanana, izay tsara fikarakarana sy torolalana avy amin’ny mpanazatra. Na dia izany aza anefa mbola maro be ireo dingana ho lalovana, ka ireo hita fa lesoka no hanarenana indray amin’ny lalao ho avy » hoy i Ravo, mpankafy baolina kitra.
Mitohy hatrany ny fizaran-tena ho an’ireto mpilalao ireto, izay hanomboka anio Alarobia. Miandahy miambavy ny filalaovana baolina kitra, ary maha lasa lavitra tokoa raha manana talenta sy mpilalao mendrika. Tsara tohanana ny lalao ara-panatanjahantena, indrindra amin’ny lafin’ny ara-pitaovana isan-karazany.
Manitra Ramanantsoa
