Fanatanjahan-tena : Nanainga hianatra sy hilalao any Etats-Unis i Lovasoa sy i Donovan
Dépêche 28 septembre, 13h, Sangany sy namiratra nandritra ny lalao basikety teto Afrika i Lovasoa Andriatsarafara sy i Donovan Rakotonanahary ireto. Ankehitriny dia nahazo fanampiana avy amin’ny masoivohon’i Etats-Unis izy ireo ka izao handeha hanohy fianarana sy hanamy traikefa amin’ny taranja Basketball izao. Samy mpilalaon’ny Ankoay latsaky ny 18 taona moa izy roalahy ireto.
