Solika sy ny akoran’afo : Efa misy ireo tobin-tsolika nakatona
Dépêche 28 septembre, 12h, Miisa 4 ireo toby mamatsy sy mpivarotra solika no efa nakatona vonjimaika taorian’ny fitsirihana ireo solika misy amin’izy ireo. Nanao fitsirihana isaky ny toby mantsy ny avy ao amin’ny Ofisy Malagasy momba ny Akoran’afo mba hanamarinana ireo solika mitapoka. Nanambara izy ireo fa tsy voatery ireo any anelakelan-trano ihany no manao ireny solika mitapoka ireny fa mety ho ireo mpamatsy amin’ny toby lehibe ihany koa.
