ActualitésTsidika

Zava-mahadomelina : Vehivavy iray nikasa hitondra vovoka héroïne

Vehivavy kenyanina iray no tratra niaraka tamin’ny héroïne 4,950 kg teny amin’ny Seranana Ivato. Vehivavy 29 taona, tonga teto Madagasikara tamin’ny sidina ET853, avy amin’ny Ethiopian Airlines, avy any Ethiopie izany.

Rehefa avy nampandalovina scanner ny entana, dia tsikaritry ny mpiasan’ny Fadintseranana fa nisy entana nampiahiahy miafina tsara tao anatin’ny valizin’ity vehivavy ity. Rehefa nojerana, dia hita fa nisy zavatra nasitrika sy nafenina tsara tao anatin’ilay valizy, ary nofonosina taratasy karbaonina. Nohamarinina tamin’ny « Central Intelligence Service » izany ka hita fa heroine tokoa ilay izy aru nilanja 4,950kg.

« Na ny fitondrana mivoaka na ny fitondrana miditra ny faritanin’i Madagsikara ireny zava-mahadomelina ireny dia voaheloky ny lalàana ka na gasy na vazaha rehefa manao ratsy dia mitovy ihany ny sazy miandry azy », hoy ny avy ao amin’ny Sampandraharahan’ny fadin-tseranana. « Raha ohatran’izao anie izany dia efa Madagasikara mihitsy no efa tena mila azy koa ho adala ve izy andeha hitondra an’io avy any Ethiopie, fa ny eto an-teorana mihitsy aloha no fongorina », hoy i Patrick tao amin’ny tambazotran-tserasera Facebook. « Efa firenena maro no miady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina ary firenena maro no manana lalàna mahaksika ny tsy azo hampidirana azy io ao amin’ny taniny fa ny fahasahiana toy izao dia efa milaza fa misy tambazotra izany any mandray azy io, raha ity tovovavy ity irery tsy hahalany izany 5 kilao mahery izany », hoy ity mpandinika iray.

Mety voararan’ny lalàna izy ireny, maro ny firenena tsy manaiky ny fampiasana azy kanefa mety hanavotra olona marary ihany koa ny fisiany. Izany anefa tsy mamporisika ny olona handray azy fa ilaina hatrany ny mijery mpitsabo matihanina alohan’ny hinanana azy.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire