Filaminam-bahoaka : Tra-tehaka teo ampanaovana ny asa ratsiny tetsy Mahamasina ny vehivavy mpangalatra poketra
Dépêche 28 septembre, 14h, Toy izao no fomba fiasany, mody mampiresaka ireny zatovovavy ireny ity ramatoa ity ka kitihiny fotsiny dia tsy tompon’ny tenany intsony ireo olona miresaka aminy. Rehefa tonga saina ireo olona tratrany dia efa tsy eny aminy intsony ireo entany. Tamin’ny alalan’ny angom-baovao no nahatrarana azy teo ampanaovana izao asa ratsiny izao teny Mahamasina.
