ActualitésTsidika

Fitrandrahana : Mpisehatra miisa 9 avy ao Vakinankaratra nahazo bokin’andraikitra

Mpisehatra amin’ny tontolon’ny fitrandrahana herana an-kibon’ny tany miisa 9 no notolorana bokin’andraikitra avy amin’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanon-karena Stratejika. Avy ao amin’ny Distrikan’ny Antsirabe II sy Betafo ary Mandoto ireto mpisitraka ireto.

« Làlana iray ahafahan’izy ireo manatanteraka ankalalahana ny asany anaty toerana voatokana ho azy ireo na  » zone d’encadrement des petits exploitants miniers » izao dingana izao. Kendrena amin’izany ny fanaovana matihanina ny fitrandrahana madinika ary ho fanatanterahana ny Velirano faha-10 mikasika ny “Fitantanana lovain-jafy ny harena voajanahary”, hoy ny avy ao amin’ny Ministera.

Misy ny toerana voatokana izay hahahafahan’izy ireo mitrandraka ka namafisina izany nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny Minisitra. Misy ihany koa ny fepetra tsy maintsy arahina indrindra mahaksika ny tontolo iainana ka hita ao anatin’izany boky izany avokoa izany rehetra izany. Ankoatrta ny ara-tontolo iainana dia mila ajaina ihany koa ny ara-tsosialy sy ny ara-pitaovana izay hampiasaina. Voarafitra ao anatin’ny boky daholo izany rehetra izany.

« Mankasitraka ny Ministera nanome anay malalaka hiditra amin’izany sehatra izany hahafahanay mampiasa ny fahaizanay sy hahafahanay miditra amin’ny matihanina kokoa », hoy ny solontenan’ireo mpisitraka ireo.

Mahafeno ny fepetra rehetra takiana amin’ny maha “zone d’encadrement des petits exploitants miniers et d’orpailleurs » azy ny toerana natolotra ny mpitrandraka madinika manerana Nosy hoy ny minisitera miadidy izany. Tsy tafiditra anaty faritra arovana izy ireny, tsy mifanindry amin’ny fari-pitrandrahana efa misy fahazoan-dalana hitrandraka. Faritra malalaka mbola tsy misy tompony araka izany no omena ireo vondrona mpitrandraka madinika hitrandrahany harena an-kibon’ny tany na volamena. Ny fidirana amin’ny maha matihanina ihany koa no fanoitra hahafahana mampiakatra ny lentan’ny fitrandrahana eto Madagasikara.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire