Fantatrao ve i Ndriana Rabarioelina ?
Anisan ‘ny namapalaza Ny Andriana Ndriana Rabarioelina ny fijoroany amin’ny maha mbola taranak’andriana azy ka nitsipaka ny fanaovana ny colisé tao Anatirova. Izy no Lehiben’ny Fianakaviamben’ny Andriana Merina sy Lehiben’ny Fiombonamben’ny Ampanjaka eto Madagasikara.
I Ndriana Rabarioelina dia avy amin’ny Mpanjaka-Mpisorona Andriantompokoindrindra, Lahimatoan’Imerina, ao Ambohimalazaben’ Imerina, sy ny Mpanjaka Andrianjaka izay Mpanjakan’Antananarivo voalohany ary nanorina ny Rova Antananarivo. Lehiben’ny Fianakaviamben’ny Andriana Merina sy Lehiben’ny Fiombonamben’ny Ampanjaka eto Madagasikara izy.
Efa nanatrika ny Fivoriamben’ny Mpanjaka manerantany tamin’ny toerana maro, ary tafaraka tamin’ny Mpanjaka mi-isa zato mahery tamin’ireo Fivoriambe ireo. Teo amin’ ny Rovan’ Ambohidrabiby Hasin’Imerina, misy ny Fasan’ ny Mpanjaka Ralambo no nanosorana azy tamin’ny Taona 2015. Ary nisy Fahazavana lehibe avy any an-danitra, izay Fahazavana avo zato eny noho ny masoandro niposaka avy any Atsinanana. Manam-pahaizana maro tokoa izy satria Dokoetra amin’ny Théologie sy amin’ny Siantsa tany Etats-Unis avokoa, nivoaka manager tany Paris ihany koa ary manam-pahaizana manokana amin’ny Gommologie tany Amerika sy « Expert en strategie Militaire ».
Vato namelan-kafatra amin’ny Tantara miafin’ i Madagasikara nandritra ny enina arivo Taona mahery Izy. Mahay ny tantara nanomboka tamin’ny Olombelona voalohany. Vato namelan-kafatra sy Mpirakitra ny Tantaran’Andriana hatriny niandohany an’arivo Taona maro talohan’ i Jesoa Kristy ihany koa Izy .Ankoatr’ireo dia mpitahiry sy mpankafy ny Kolotsaina, ny Vakoka ary ny Hai-Kanto, indrindra ny Mozika nenti-mpaharazana sy ny Mozika Klasika Malagasy i Ndriana Rabarioelina. Mbola azo ekena amin’izao fitondrana Repoblikaizao ve ny maha Andiana azy ka tokony omena fanajana ?
Nicole Rafalimananjara
