Fifaninana hidirana ho polisy monisipaly
Mikarakara fifaninana hidirana ho polisy monisipaly n yeo anivon’ny Koaminina Antananarivo ranivohitra. Mpiadina 100 no ho raisina amin’izany ka ny 25 amin’izy ireo vehivavy ary ny 75 ambiny lahilahy. Toy izao manaraka ny fepetra harahana ho an’ireo liana amin’ny fifaninana : vehivavy mirefy iray metara sy enina ambi-dimapolo,lehilahy iray metatra sy fitopolo, 18 taona hatramin’ny 30 taona, manana ny marim-pahaizana BEPC fara rahakeliny,mananafahazoan-dalana hamily sokajy A, A’ na B, tomombana tsara ny fahasalamany izay hilana fanamarinana avy amin’ny dokotera, Hifarana ny 3 desambra 2021 ho avy izao ny fanaterana ny antotan-taratasin’ireo mpiadina eny amin’ny biraon’ny Kaominana Antananarivo Renivohitra. Marihina fa misy sokajy roa ny andina ka hotanterahina ny 4 janoary 2022 ny andiana voalohany ary ny 22 janoary 2022 ny andiany faharoa. Entanina noho izany tanora mahafeno ny fepetra hamaly ny antso.
Haingotiana Andriamihaja
