Hodian’ny fitondrana tsy hita ny vidin’ny lavanila
Mbola tena ambany ny vidin’ny lavanila amin’izao fotoana izao ka miha sahirana ireo tantsaha mpamboly sy mpisehatra manodidina izany. Velon-taraina ireo mponina satria mbola tsy misy mangirana ny resaka lavanila amin’izao fotoana izao. Mahatratra 50 000 Ariary mantsy ny vidiny faran’ny ambony raha ny fantatra.Nisy anefa ny fampanantenana nataon’ny filoham-pirenena fa ho ampiakarina avo telo heny ny vidin’ny lavanila ary vao haingana no nomena toky ny vahoaka fa ho ferana 75 000 ariary ny vidiny faran’ny ambany amin’ny lavanila maitso. Aiza anefa izany ankehitriny ? « Tsy moramora ny fikarakarana ny lavanila any an-tsaha ary tsy afaka manao asa hafa intsony rehefa mamboly lavanila. Fiasana folera roa volana isan’andro tsy mitapaka, firahisatra, famalonana taho, fiandrasana ny voan-davanila sao misy mangalatra mandritra ny dimy volana isan’andro » hoy ny mpamboly iray. »Sahirana ny vahoaka satria ny vidim-piainana miakatra isan’andro na dia eo aza ny fampanantenana maro, mila jerena manokana ity sehatra ity satria tsy ny vahoaka ihany no hahazo tombony amin’izany fa indrindra ny firenena iray manontolo mihitsy » hoy i Liantsoa, mpikaroka mikasika ny fambolena eny amin’ny anjerimanontolo.Fiainan’olona no miankina amin’ny lavanila mba tsy hitenenana ny hoe tena fiainan’ny olona rehetra any io, toa arirariran’ny fitondrana anefa ny resaka ka tsy nahitana feo intsony raha nandrandraina fatratra ny tokony hiresahana azy ny alahady lasa teo. Izany anefa no zava-misy, inona no tokony ho atao ?
Nicole Rafalimananjara
