Inona no tena tanjon’ny antoko politika eto Madagasikara ?
Mahalala avokoa ireo mpanaraka akaiky ny raharaham-pirenena amin’izao fa mila fanamboarana lehibe ny fanaovam-politika eto Madagasikara ary io no tena mila fanorenana voalohany mba hampandrosoana an’i Madagasikara.Tsy ny fanaovam-politika ihany fa ny toe-tsain’ny mpanao politika indrindra indrindra no tena mila fanarenana. Efa betsaka tokoa mantsy ireo antoko politika miorina sy miasa eto amin’ny firenena kanefa aiza ho aiza isika izao ? Tsy vao izao no nisy ny antoko fa efa ela kanefa nisy fiorany ve ? Rehefa manakaiky ny fifidianana vao hit any antoko sasany, rehefa any anaty lisitry ny kandidà vao hit any mari-pahamatarana ny antoko sasany.Betsaka ny manontany tena ohatra mahakasika ny antoko « Hery Vaovao ho an’i Madagasikara », mbola misy ve ny antoko HVM sa efa rava noho ny tsy teo amin’ny fitondrana intsony ny mpanorina azy, Rajaonarimampianina Hery. Hita ihany koa ny fialàn’ireo mpikambana tsikelikely ka miova antoko hafa indray. Izany ve ilay mpamadika palitao ? Raha teny am-piandohana anefa dia nilaza izy ireo fa hitondra rivo-baovao ho an’ny firenena indrindra n yeo amin’ny lafin’ny toe-karena.Izany tokoa ilay politika mila ovaina, zary toa ny vava foana manko no mandeha aloha fa tsy ny hetsika sy ny asa fampandrosoana akory. Masina ity tanindrazana ity ka tsy tokony hanaovana izay tiana atao akory, aoka ny asa rehetra atao dia ho entina hitondrana famapadrosoana maharitra eto amintsika. Misy antoko tena mirona amin’izany tokoa ve nefa amin’izao ?
