ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Misy mangalatra ireo vy amin’ny pilone an’ny jirama

Tranga miseho amin’izao fotoana izao ao amin’ny kaominina Ambohimangakely sy ny manodidina, misy mangalatra ireo vy amin’ny pilone an’ny orinasa jirama ao an-toerana. Mitaraina ary miantso fiaraha-miasa amin’ny olona rehetra ny jirama manoloana izany, araka ny voalaza.

 » Anisan’ny tranga tena mampalahelo ary tsy hay na efa vokatry ny fahasahiranana sy ny fahantrana no mahatonga izao. Tsy mifidy hangalarina intsony ireo tia kely fa izay hita dia hangalarina avokoa » hoy i Doda, mponina ao Ambohimangakely.

 » Manoloana ny tsy fandriam-pahalemana tahaka izao dia mangataka fiaraha-miasa amin’ny olona rehetra izay tsara sitra-po ny orinasa jirama mba hanome vaovao raha misy ny tranga mampiahiahy na hafahafa eny amin’ny fiaraha-monina eny » hoy i Rija, teknisianina avy ao amin’ny jirama.

Efa miseho amin’ny endriny rehetra tokoa ny tsy fandriam-pahalemana amin’izao fotoana izao. Ilaina ny fiaraha-miasa eo amin’ny olon-tsotra sy ny mpitandro filaminana mba ahafahana manenjika sy manara-maso ny tranga tahaka izao.

Manitra R.

Laisser un commentaire