ActualitésTsidika

CVO+ sa vaksiny ?

Maro ireo firenena maneran-tany tsy mitsahatra mikaroka ary efa nikaroka izay fanafody fanafan’ity valan’aretina izay tsy mitsahatra mandripaka ity. Tsy ambakan’izany i Madagasikara izay namokatra ny CVO izay voka-pikarohana Malagasy. Novokarina tamin’ny artemesia sy ny raokandro Malagasy toy ny ravintsara ny CVO, hoy ny filoham-pirenena Malagasy nandritra ny fampisehoana voalohany ity tambavy ity izay novokarin’ny IMRA. Taorian’io CVO io dia namokatra ny CVO+ gellules indray ny Pharmalagasy.

« Nandalo fanamarihan’ny Profesora sy ny manam-pahaizana maro Malagasy sy vahiny ny CVO+ » hoy ny avy ao amin’ny Pharamalagasy. Singa maro no natambatra tao anatiny toy ny artémisinine, flavonoïde, terpénique, eucalyptol hoy hatrany ny fanazavana azo. Natomboka ny volana Janoary hatramin’ny volana may 2021 lasa teo ny andrana fahatelo natao taminy izay teo ambany fanarahanamason’ny OMS sy ny Institut Pasteur.

Tamin’ny marary manodidina ny 400 teo no nanaovana ny andrana ka tamin’izany no namoahan’izy ireo ny tsoa-kevitra milaza fa mandaitra sy mahasitra hatramin’ny 87, 1% ny CVO + ary 70, 45% ireo marary sitrana tanteraka vokatr’izany tao anatin’ny 14 andro nitsaboana azy ireo. Efa voaporofo ara-tsiantifika fa tsy nahitana tranga fahasarotana ny marary sitrana ary tsy nisy fiatraikany ratsy teo amin’ny fahasalaman’izy ireo izany hoy ny manam-pahaizana iray. Azo antoka àry ve izany ny hahafoana ny aretina eto amin’ny firenena mpamokatra ny CVO+ ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire