SocialTsidika

Mariazin’ny kambana tsy mitovy fananahana

Marobe ny fombafomba misy eto Madagasikara momba ny zaza kambana. Anisan’izany ny resaka tany fady mitaiza zaza kambana. Ny any Mananjary ohatra raha miteraka kambana ny renim-pianakaviana, tsy maintsy misafidy iray izy ary vonoina ny iray satria mitondra fahavoazana ho an’ny fianakaviana ny fitaizana azy roa raha arakin’ny finoana. Fa eto kosa fomba hafa mihitsy : mariazin-jaza no resaka.

Maro ireo tsy mankasitraka ity fomba Malagasy ity. « Tokony divorce izany no atao azy ireo fa tsy marriage » i hoy Lova. Manazava kosa ireo mpisehatra eo amin’ny tantara Malagasy : « zaza kambana mianadahy no atao mariazy mba ho ala fady na fanalana fady nohon’ny fitovian’izy ireo kanefa mpifady. Mba ho fanasarahana azy ireo nohon’ny fifampikasohana nisy tao an-kibo sy ny mba tsy hisian’ny alahelo eo amin’izy roa tonta refa injay ka mifanalavi-toerana » hoy i Sahondra, mpampianatra taranja Malagasy. « Mariazin’ny kambana mianadahy,rehefa mahatsiaro tena tsara ireo kambana ireo dia atao ny “mariazy ».

Ampiakanjoana tsara izy ireo. Hanaovana lanonana ihany koa. Rehefa miteny ny mpanala faditra iray, mandritra ny lanonana, manao hoe « tao an-kibo ianareo no mpivady, fa manomboka izao, mpianadahy ianareo », dia vita ny ala faditra, raha ny filazan’i Jean de Dieu ray aman-dreny be mpandalany fomba Malagasy.

Toy ny firenena rehetra, manana ny fombafomba mampiavaka azy ihany koa ny Malagasy. Maro dia maro izany. Manomboka very na adino tsikelikely anefa izany amin’izao fotoana izao. Santionany amin’izy ireny ity mariazin’ny kambana ity. Ilaina ny mamerina tsikelikely ireny fomban-drazana ireny mba ahaizan’ny Malagasy ny zava-nisy nataon’ireo Ntaolo taloha.

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire