ActualitésTsidika

Foibe Fitsarana Fiarakodia (DGSR): Vita ny fiofanana naton’ireo mpamily fiarakodia miasa ao amin’ny FID

Nifarana ny Talata 10 Aogositra 2021 ny fiofanana narahan’ireo mpamily fiarakodia miisa 80 miasa eo anivon’ny Fonds d’Intervention pour le Développement (FID). Tao amin’ny foibe fitsaràna fiarakodia no nanatanterahina ny fiofanana. Tanjona tamin’izany fiofanana izany ny fanamafisana ny traikefan’ireo mpamily ireo hisorohana ny lozam-pifamoivoizana.

Raha ny fantatra, 90% ny lozam-pifamoivoizana dia avy amin’ny toetry ny mpamily : tooy ny tsy fitandremana, mandeha mafy mihoatra ny hafainganam-pandeha tokony ho izy. Nandritra izany fiofanana izany, nianatra momba ny fikojakojana ny fiara ary nisy ihany koa ny fampahafantarana ireo lalàna mifehy ny fifamoivoizana sy ireo mahakasika ny kolikoly izay fantatra fa fanetriben’ny firenena ary vaindohandraharahan’ny fitondram-panjakana ny famongorana azy. Nanome voninahitra ny lanonam-pamaranana ny Tale Jeneralin’ny Foibe Fitsarana Fiarakodia.Notsindrian’ny Tale Jeneraly tamin’ny fandraisam-pitenenana nataony fa misokatra amin’ireo sehatra samihafa eto amin’ny firenena ny Foibe Fitsarana Fiarakodia amin’ny fanomezana fampiofanana ny mpamily. Anisan’ireo handray ny anjara fiofanana manaraka ny eo anivon’ny CUA sy ireo mpamily misehatra amin’ny zotra nasionaly amin’ity volana aogositra sy septambra ity.

Tokony hisokatra hoan’ny rehetra ny fiofanana toy izao ho fanenana ny lozam-pifamoivoizana matetika nitranga tato ho ato. 

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire