Sosialy : Nankahery ireo tra-boina ny Minsiteran’ny mponina
Nijery ifotony sy nankahery ireo tra-boina teny Manakambahiny sy Mahamasina, Andrefana Ambohijanahary, Ampefiloha, Ambodirano ary Tanjombato ny avy ao amin’ny Ministeran’ny mponina. Niteraka fahavoazana lehibe indrindra tamin’ny mponina teto andrenivohitra iny andro ratsy iny.
« Miezaka hatrany mandamina sy mandrindra mba hisitrahan’ireo vahoaka tra-boina rehetra ny fanampiana izahay » hoy ny Ministry ny mponina, Soafilira Princia. « Tena renin’ny vahoaka tokoa izy. Tena manampy ary manohana be » hoy i Viviane, isan’ireo tra-boina eny Ampefiloha. « Mila mifankahery tokoa isika amin’izao voina izao. Mahafinaritra ny mahita ny firaisan-kina ao anatin’ny loza » hoy i Gilles, mpahay fiarahamonina.
Mbola mitohy ny fanentanana ho an’ireo eny amin’ny faritra mena amin’izao. Tsara raha manaraka hatrany ny toromarika omen’ny tompon’andraikitra hatrany isika.
Nicole Rafalimananjara
