Sofia : Manampy amin’ny lafiny sosialy ny SMMEC
Misokatra manomboka ny 26 janoary ny sampana SMMEC na ny Société Malagasy Mutualiste d’ Épargne et Crédit ao amin’ny faritra Sofia. Orinasa afaka mitahiry sy mampindram-bola ary koa mandray an-tanana ny fiahiana ara-tsosialy ny SMMEC.
« Mnaampy betsaka amin’ny fahasahiranana sy ahafahana mampandroso ny faritra ny fisian’ny mpiahy ara-tsosialy tahaka izao » hoy i Damasy, mponina ao Antsohihy. « Tolotra dimy lehibe no tena misongadina ato amin’ny SMMEC. Ao ny fitehirizam-bola na fikajianam-bola, ny fampindramam-bola, ny tohana ara-pahasalamana hoan’ireo mpikambana. Eo ihany koa ny fanabezana momba ny fitantanam-bola ary ny fanatontoloina sy ny momba ny « digitalisation » hoy i Andriamanga Rakotoarivelo Gérard, tompon’andraikitra misahana ny SMMEC eto Madagasikara. « Ilaina tokoa ny fidirana ho mpikambana amin’ireny fiahiana ara-tsosialy ireny. Manampy betsaka indrindra ny tantsaha izany » hoy i Aina, mpianatra fitantanana eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo.
Maro ny hetsika hanamarihana izany fisokafan’ny SMMEC ao Sofia izany. Olona manana anton’asa mazava sy mahafeno fepetra, izay tsy nohasarotina, no afaka miditra ho mpikambana, ary tsy hanavahana olona izany.
