Fampianarana ambony: Hiroso amin’ny fitokonana lehibe
Mitohy hatrany ny hetsika fitokonana ataon’ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra (SECES) sampan Antananarivo. Nisy ny fangatahana ampitoniana (sit in) nataon’izy hatramin’ny herinandro teo saingy tsy mbola nahitana valiny izany fangatahana izany. Hiroso amin’ny fitokonana lehibe araka izany izy ireo rahampitso talata, eny amin’ny Esplanade Oniversiten’Antananarivo.
