Ambalavao: Hahazo ny toeram-piantsonan’ny fiaramanidina vaovao
Dépêche 22 mai, 14h, Nisy ny fifanaraham-piarahmiasa teo anatrehan’ny tanàn-dehiben’ny Zibo any Chine sy ny faritra Matsiatra Ambony. Izeany fifanaraham-piaraha-miasa izany dia hahafahana mametraka ny toeram-piantsonam-piaramanidina vaovao ao Ambalavao. Miaraka amin’izany ihany koa ny foto-drafitr’asa mahakasika ny angovo azo avy amin’ny masoandro ho an’io faritra io. Tonga tany amin’ny toerana vinavinaina hametrahana izany fotodrafitr’asa izany ny solontenan’ity tanàn-dehibe ity. Araka izany dia nisy ny fitsidihana ny toerana izay hametrahana ireo fotodrafitr’asa ireo niarahana tamin’ny Governoran’ny Faritra ny 20 mey lasa teo.
