Kolontsaina : Hampiaraka ny gadon-kira ssamihafa i Eric Manana sy ny tarika Ralah’Trio
Dépêche 06 juin, 11h, Gadona tsy mitovy, taona tsy mitovy ary tena mifanalavitra, kanefa dia niaraka niaka-tsehatra hatrany. Telo volana izay no niarahan’i Eric Manana sy ny Ralah’Trio nitety an’ny Eropa. Hofaranana amin’ny seho tokana izany fitetezana an’ny Europe izany eto Madagasikara. Hira gasigasy miharo jazz sy mozika mivelatra amin’ny gadona samihafa no entin’izy hampiverena ny mpankafy amin’izany. Hatao etsy amin’ny CC-ESCA Antanimena ny sabotsy 10 jona izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro izany izany fiarahana miaka-tsehatra eto an-tanindrazana izany. Singa iray ahafahana mampivelatra ny kolontsaina sy ny zava-kanto eto Madagasikara ny fisian’ity fiaraha-miasa goavana ity.
