Guadeloupe : Tokan-trano 5000 isa no mbola ao anatin’ny tsy fisian-drano
Roa herinandro teo izao no tratran’ny fahasimbana ireo fantsona mitsinjara ny rano ao Guadeloupe. Vokatr’izany, tokan-trano manodidina ny 5000 eo no tsy mahazo rano, hatramin’izao. Na dia efa nisy aza ny asa fanamboarana tany an-toerana, tokan-trano maro ao amin’ny faritra Goyave, Abymes, ary Gosier sy Saint-François dia tsy misy rano mihitsy. Tsy mahatosika ny tsindry mampandeha ny rano ka mahatonga ny rano tsy ho tonga isam-baravarana, araka ny voalazan’ireo sindika mitantana ny rano ao amin’ity nosy ity. Nanolotra vahaolana ireo sindika mba hamenoana rano ireo tahirin-drano, saingy tsy ampy ireo mponina izany. anisan’ny misedra olana goavana noho izany ireo toeram-pitsaboana, izay tsy manana rano na ny hanasana tanana aza, raha ny fitarainan’ireo mpitsabo ao Gosier.
