ActualitésTatitra

France : Lehilahy iray no maty may ny herinaratra tao amin’ny toeram-pividovana

Singa roa tsy miaraka ny herinaratra sy ny rano. Loza no mitranga raha izany no mifampikasoka. Lehilahy iray 25 taona nonina tao Tence, ao Haute-Loire nefa no nampiaraka izany ka nitera-doza ho an’ny tenany.

Rehefa nisaika tao amin’ny « baignoire » io lehilahy io dia nikitika ny finday. Nilatsaka tampoka tao anatin’ny rano nefa ilay finday ka maty may ny herinaratra teo no ho eo io lehilahy io. Rehefa tonga tao an-tranony ireo mpamonjy voina dia efa tsy nisy azo natao intsony.

Marihana fa nitsaoka tamin’ny prizy (en charge) io finday io, antony nahatonga ny loza.

Laisser un commentaire