ActualitésTsidika

Voarara sy mahavoasazy ny fivarotana sy fisalorana fanamiana miaramila na ny mitovy endrika aminy ankalamanjana.

Mampatsiahy hatrany ny avy ao amin’ny tafika Malagasy fa voarara sy mahavoasazy ny fivarotana na/sy fisalorana ny fanamiana mpitandro filaminana na akanjo misahala endrika sy loko aminy izay tsy nahazoana alalana, araka ny andininy faha 259-ny fehezan-dalàna famaizana (Code pénal). Mahavoasazy 1 volana ka hatramin’ny 5 taona antranomaizina, miampy lamandy 3 alina ariary hoy ny solon-tenan’ny tafika. Efa toa alsa lamaody anefa ankehitriny ny loko toy ny an’ny mpitandro filaminana hoy I Marceline mpivarotra eny Analakely. Azo atao ihany koa naie ny tsy misalotra azy any an-dalana fa ao an-trano ihany satria tsy misy mahita iny hoy I Daniel raim-pianakaviana. Isan’ny tena anton’ny fandrarana mantsy ny fanaovan’ny jiolahy ireny ankajo ireny mba hisandohana ho mpitandro filaminana ka mora ho azy ny hanao ny asa ratsy. Rehefa mahazo vahan amanko ny jiolahy dia miaina anaty tsy fandriam-pahalemana ny vahoaka Malagasy. Hisy ny hetsika fanaraha-maso manokana sy fanasaziana mahakasika izany hanerana ny nosy hoy ny mpitandro filaminana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire