ActualitésTsidika

Fotodrafitrasa hiarovana ny moron-tsiraka ho apetraka ao Manakara sy Ampilao

Nahitana fiovana ny toetr’andro tato ho ato teto andrenivohitra fa indrindra tany amin’ny faritra toy I Manakara. Tao anatin’ny taona vitsy dia nihamafy hatrany ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetrandro eo amin’ireo mponina amin’ny morontsirak’i Manakara sy Ampilao hoy ny mponina tany an-toerana. Nisy ny andraikitra noraisin’ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy. Ny fiakaran’ny haavon’ny ranomasina sy ireo loza voajanahary isankarazany no nanosika ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy handray ny fepetra mba hampihena ny fiantraikan’izany fiovan’ny toetrandro izany hoy ny Minisitra Baomiavotse Vahinala Raharinina. Ny fametrahana fotodrafitrasa hiaro ny morontsirak’i Manakara no atao amin’izany amin’ny alalan’ny PAZC izay tanterahin’ny BNCCCREDD+ hoy hatrany izy. Rindrina fiarovana sy fanatevenana ny torapasika no apetraka ao Ampilao ary « blocs de bétons » kosa ao Manakara. Efa mandroso ny asa ankehitriny ary tamin’ny faran’ny volana mey 2021 dia tombanana ho 45,08% amin’ny asa no vita ho an’i Manakara be ary 85% ho an’Ampilao. Zava-dehibe tokoa izany hetsika izany satria tena miantoka ny taranaka ho avy ny fanatsarana n tontolo iainana dieny izao.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire