Lozam-pifamoivoizana tao Ranomafana
Tsy mitsahatra ny fandrenesana lozam-pifamoivoizana ny herin’andro lasa teo. Toa mbola mitohy izany amin’izao. Fiara Sprinter iray indray no nivarina tao anaty hantsana ny talata atoandro teo tamin’iny lalàm-pirenena faha efatra iny. Raha ny fampitam-baovao dia avy any Mahajanga ity fiara ity no niharan-doza teo Ranomafana.
Olona ara-teknika teo amin’ny fiara no nahatonga ny loza, araka ny filazan’ny manodidina. Nisy namoy ny ainy tamin’izany ary tao ihany koa ireo naratra saingy tsy mbola voafaritra mazava hatreto ny isan’izy ireo. Raha ny fantatra kosa nefa dia efa nisy naterina any amin’ny Hopitaly Ifanadina izy ireo. Matetika loatra ny tranga toy izao tao ho ato, manomboka manao tandrevaka indray ve ireo mpitondra fiara amin’ny lalàm-pirenena?
Hasina Rasamimanana
