SocialTsidika

Famatsiana simenitra any amin’ny faritra Anosy

Simenitra mahatratra 5000 taonina no tonga tao amin’ny seranan-tsambo Ehoala ny 13 jona lasa teo. Simenitra nafarana avy tany  Pakistan izany araka ny vaovao nampitaina.  Tapaka ny 06 jolay teo fa 35.000Ariary ny vidin’ny gony 50kg iray araka ny dinika sy fikaonan-doha niarahan’ny DRICA sy ireo mpandraharaha any an-toerana.

“Tsy misy tokony hataorana ny fisian’ny tsy fahampian’ny tahiry ary mitohy hatrany ny fanaraha-maso ara-barotra ka tsy hilefitra ny tompon’andraikitra manoloana ny mety tsy fanarahana izany vidiny efa tapaka izany” hoy ny tompon’andraikitra tao an-toerana. Rehefa nohadihadiana anefa ny mpanjifa iray dia nilaza fa “aleo mividy ny vita Malagasy ihany, ny orimbato izao mbola 32000 Ariary nefa tsara kokoa” hoy ny faneho-keviny.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire